<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.A. Bland</author>
<title>O! ry tanora, mba tsarovy FFPM755</title>
<lyrics>[V1]
 O ! ry tanora mba tsarovy
 Ilay Tompo soa maty noho
 ny helokao ;
 Izy miantso anao moramora
 Vohay ny fonao hidirany izao.
 Ny saina sy ny safidy nomeny.
 Ka mba fidio ny ho
 mpanaraka
 An'i Jesosy, Mpanjaka
 Tsitoha,
 Ny fonao atolory hanjakany
 ao.

[V2]
 O ! ry tanora miambena,
 Fa ny devoly dia mpamitaka
 mahay
 Maro ny fandrika ka
 mitandrema
 Tsy ho tra-nenina re
 mandrakizay.
 Ka ekeo anatrehan'ny Tompo,
 Handao ny ratsin'izao
 tontonlo izao.
 Raha Jeso no iankinanao
 mafy,
 Izy hiaro mba mba tsy
 hivadihanao.

[V3]
 O ! ry tanora, mivavaha
 Fa Jeso Tompo dia Mpihaino
 vavaka
 Azy irery ny hery rehetra,
 Dia matokia mba ho
 afa-tahotra.
 Ka raha ory sy mila ho kivy,
 Dia andrandraonao Ilay
 Tompo be fitia ;
 Ny fitarainanao dia hohenoiny
 Ary ny fonao dia
 hampiadaniny.

[V4]
 O! ry Jesosy, mba ampio
 Izaho mpianatrao mba ho
 madio fo
 Tantano aho, vimbino ry Jeso,
 Fa sarotra ny lalana alehako ;
 Iriko ny ho mpandresy ny ratsy,
 Iriko hahatanteraka ny soa ;
 Omeo hery sy tanjaka aho.
 Efao ny asa tsara ao anatiko.</lyrics>
<hymn_number>755</hymn_number>
</song>